1 Thessalonians 3

1Noho izany, rehefa tsy afaka niaritra izany intsony izahay, dia noeritreretinay fa tsara ny mitoetra irery tao Atena. 2Nandefa an’i Timoty izahay, rahalahinay sy mpiara-miasa ho an’Andriamanitra ao amin’ny filazantsaran’i Kristy, mba hanamafy sy hankahery momban’ny finoanareo. [Fanamarihana: Ny dikan-teny sasany hafa taloha dia mivaky hoe: “Nandefa an’i Timoty izahay, rahalahinay ary mpanompon’Andriamanitra aoamin’ny filazantsaran’i Kristy.”] 3Nataonay izany mba tsy hisy olona ho taitra noho ireo fahoriana ireo. Fa ny tenanareo dia mahafantatra fa izany no nanendrena antsika.

4Marina tokoa, rehefa niaraka taminareo izahay, dia nilaza mialoha taminareo fa isika dia tsy maintsy hampahoriana, ary nitranga izany, araka ny fantatrareo. 5Noho izany antony izany, rehefa tsy naharitra izany intsony aho, dia naniraka mba ahafantarako ny finoanareo. Angamba ny mpaka fanahy dia efa naka fanahy anareo, ary ho zava-poana ny asantsika.

6Fa tonga taty aminay avy tany aminareo i Timoty ary nitondra ny vaovao mahafalin’ny finoana sy fitiavanareo ho anay. Nilaza taminay izy fa ianareo dia manana fahatsiarovana tsara anay foana, ary ianareo dia maniry mafy ny ahita anay tahaka ny fanirianay ahita anareo. 7Noho izany, ry rahalahy, izahay dia namaherezinareo nohon’ny finoanareo, tao anatin’ny fitaintainana sy fahorianay rehetra.

8Fa ankehitriny velona izahay, raha mifikitra mafy amin’ny Tompo ianareo. 9Fa fisaorana toy ny ahoana no azonay omena an’Andriamanitra ny aminareo, tamin’ny fifaliana rehetra izay anananay teo anatrehan’ny Andriamanitray noho ny aminareo? 10Mivavaka mafy andro aman’alina izahay mba mety ahita ny endrikareo sy amatsy izay tsy ampy ao amin’ny finoanareo.

11Andriamanitra Raintsika tenany, ary Jesosy Tompontsika anie, hanitsy ny lalanay ho aminareo. 12Ny Tompo anie hampitombo sy hampandroso amin’ny fifankatiavanareo amin’ny hafa sy ny olon-drehetra, tahaka ny ataonay aminareo koa. Izy anie hanamafy ny fonareo, ka mba tsy hanan-tsiny amin’ny fahamasinana izy ireo eo anatrehan’Andriamanitra Raintsika, amin’ny fihavian’i Jesosy Tompontsika mbamin’ireo masiny rehetra.

13

Copyright information for PltULB